Victoire Rasoamanarivo

1- Niaina ny fahamasinana fony fahavelony, Victoire. 
Lasa dia namela mamy ho an’ny taranaka aty afara. 
Ka zary modely ho an ‘ny fiangonana. 
Ho tsarovana ny anarany.
Ny anarana navelanam-pandresena Victoire o!
Ny tantaram-piainanao dia tantara tsara e.
Nahita sy niaina ny finoana.
‘Lay finoana vao niandoha teto Madagasikara 


Victoire Rasoamanarivo o !
Olon’ny vavaka. 
Victoire Rasoamanarivo iny o! 
Nitsinjo ireo tsy manana
Victoire Rasoamanarivo o!
Nanaja ny hasin’ny fanambadiana
Victoire Rasoamanarivo o! 
Nanompo an’i Jeso tamin-kafaliana. 


2- Maro ireo sedra zay nandalo tamin’ny fiainanao Victoire a 
Natrehanao tamin’ny finoana , ianao nandroso tsy nisalasala.
Ny hasin’ny tokantrano najainao e ! 
Fa masina io tsy azo lotoina nahavariana ny fitiavanao ny Eokaristia
Notaominao ireo mpino hanaja an’i Maria
Na tsy teo aza ireo Misionera, Victoire
Narovanao fiangonana, sy ny sekoly mba hijoro tsara 


3- Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara.
Matoa ny finoana lalim-paka ianao anisan'ny nikarakara.
Ireo Eveka maro, pretra sy Relijiozy, kristianina mandray andraikitra.
Indreto ary izahay Victoire ô.
Miray Fo manandram-peo mihira fiderana e!
Efa taona maro no nisantaranao ny lanitra.
Ka ny vavaka hataonay dia ianao ho olomasina.

 

HAGA

Nampiditra ikalamako
Sokajy Olomasina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087