Fo Faly

1-Indro ny mofo atolotray,
ovao ho vatan’i Jesoa
Hitondra aina vao ho anay e,
Mba raiso Tompo,
ho famonjena anay

Fo faly e e no anolorana izany aminao e!
Mba raiso Tompo ô ho sorona Ankasitrahanao

2-Indro ny divay atolotray,
ovao ho ran’i Jesoa
Hampihavana anay
Mba raiso Tompo hihavanana Aminao

3-Ny fiainanay atolotray
miaraka amin’ny
soron’i Jesoa
Hitondra famonjena ho anay
Mba raiso Tompo ho Sorona ankahasitrahanao

 

Nampiditra ainapremier
Sokajy Fanolorana
Karine Dera p. 1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092