Masindahy Paoly

Fantatrao va re tovolahy iray
Hery ,vatana, saina nananany
Mpitana mafy ny fomban-drazany
Ka nanenjika an'i Kristy

Moa va tsy rivo-doza mahery
Nandrava fiangonana
Moa va tsy volkano mitrena
Ka natahorana

Moa va tsy mpitondra jadona
Ny mpino nofatorany
Saoly no anarany avy any Tarsia 
Saoly no anarany mahaliana ny tantarany

Fiverenana:
Misaotra Anao Ray ô mankasitraka e
Misaotra Anao Jesoa niantso azy
Misaotra Anao Fanahy nanova ny fony
Fa i Paoly izao môdely ho anay e

Efa renao ve ilay tany Damasy
Hazavana manjopiaka no nitsena azy
Izay nanova ny fiainany
Ho mpianatr'i Kristy

Moa va tsy onja mahery izay nanadavo azy
Moa va tsy ireny tselatra ireny nahajamba ny masony
Moa va tsy hery mistery izay nandresy azy
Saoly Saoly nahoana no manenjika Ahy
Lasa Paoly no anarany folaka ihany izy

Tadidinao amin'izay ity Apostoly iray
Taratasy maro nosoratany
Izay mamelona fiangonana
Hoe ampy ho anao ny fahasoavany

Eny e io ilay Paoly , Kristy no fiainany
Eny e ireo mpianany tonga hatraty
Izy e ilay mahery fo ka ny ràny nalatsany
Paoly no anarany mpanota nibebaka izy
Paoly no anarany tohizantsika ny tantarany

Nampiditra Jean_Luck_R
Sokajy Olomasina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095