Antso

Mpitarika: Avia Andriamanitra Andriananahary ô

Vahoaka: Avia manatrika, avia manoloana

Mpitarika: ianao anie hanokatra ny vavanay

Vahoaka: dia hitory fiderana anao izahay

Mpitarika: fa tsara ny misaotra anao, ry Tompo Andriamanitray ô

Vahoaka: sy mihira ny anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra ô

Mpitarika: ny tsara ny mitory ny hatsaramponao raha vao maraina

Vahoaka: sy miantsa ny fitiavanao mandritra ny alina

Mpitarika: ho anao ny voninahitra ry Ray tsara fo ô

Vahoaka: Amen! Amen! Amen!

Mpitarika: Ho anao ny fiandrianana ry Tompo fitiavana ô

Vahoaka: Amen! Amen! Amen!

Mpitarika: ho anao ny voninahitra ry Fanahin’i Jesoa ô

Vahoaka: Amen! Amen! Amen!

Nampiditra ranitra22
Sokajy Tononkira
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091