Voninahitra anie ho Anao ry Tompo Andriamanitra Ray Mahefa

Fiverenana:
Voninahitra anie ho Anao ry Tompo Andriamanitra Ray Mahefa
Rainay ‘zay tokana tsy manam-paharoa ô
Fiadanana ho an’ny Olombelona ‘zay namindranao fo
Fa dia nanehoanao ny fitiavanao
Voninahitra a a! Voninahitra e e! (Lehibe ny voninahitrao ô)
Voninahitra e ia (Ry Tompo Ray tsitoha)
Voninahitra a a
Ho Anao ry Tompo Tsitoha
1- Derainay isan’andro ny anaranao ry Tompo ô
Mankalaza sy mitsaoka ary misaotra Anao zahay
Mihoby ny hasinao zahay ry Rainay mahery
Voninahitra
2- Ry Jesoa Kristy Tomponay ô
Zanaka lahitokan’ny Ray
Ianao Ilay manala ny fahotan’ny olona
Mamindra fo aminay
3- Mipetraka eo an-kavanan’ny Ray Ianao ry Jesoa ô
Miaraka amin’ny fanahy Masina a a
Ianao irery ihany no masina ambony indrindra
Mandrakizay ny voninahitrao
Nampiditra Jean_Luck_R
Sokajy Voninahitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099