Avia ry Fanahy Masina ô, hameno ny fo

Avia ry Fanahy Masina ô hameno ny fon'ireo mino anao (2)
Areheto ao aminy ny afom-pitiavanao (2)
Fa ianao no mampiray ao anatin'ny finoana iray (2)
Ny fiteny rehetra manerana ny tany (2)
Aleloia a, Aleloia! (2)
Aleloia a, Aleloia! (2)

(L) Ny foko midera ny Tompontsika,
 Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
 Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
 'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
 
(V) Fa indro manomboka ankehitriny
 Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
 Ilay hoe "Ny Masina no anarany".

Aleloia a, Aleloia. (2)
 
(L) 'Lay mandrakizay ny indrafony
 Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
 'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry,
 Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
 
(V) Manongana ireo izay mpanjakazaka
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa an'ireo noana
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.
 
Aleloia a, Aleloia. (2)

(L) Mpanarina an'i Israely olony
 Satria mahatsiaro ny indrafony
 Nampanantenainy ny razantsika
 Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
 
(V) 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo!

Nampiditra admin
Sokajy Tononkira
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3055