Torio manerana vazan-tany

Torio manerana vazan-tany e

Ny Tenin’ny Tompo, teny mahery e!

Ambarao eo amin’ny fiainanao ô

Ny fampianarana azonareo ô.

 

Raisinay ny Tenin’ny Tompo ô; Teny masigny!

Iainanay ny Tenin’ny Tompo ô; Teny mahavelogno!

 

1-Teny nampisy ny raha jiaby

Na ny biby mbamin’olombelona

Raha tsisy jiaby nanjary nisy

Noho ianao tonga nofo ô

Raisinay ny tenin’ny Tompo ô …

 

2-Nampisaraka ny andro sy ny alina

Mazava sy ny aizina

Ny tendrombohitra mbamin’ny havoana,

Ala maitso mandrakotra azy e

Raisinay ny Tenin’ny Tompo ô…

 

3-Ny Teny namorona ny habakabaka,

Kintana mbamin’ny ranomasina

Ny masoandro amam-bolana

Sy ireo lay tsy hita maso ô

Raisinay ny Tenin’ny Tompo ô

 

4-Sambatra ireo izay mitandrina azy,

Mandra-piverenan’ny Zanak’olona

Miara-monina amin’Andriamanitra

Any am-paradisa.

Raisinay ny Tenin’ny Tompo ô

 

Nampiditra Edye
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092