Anao, ry Tompo, ny zava-drehetra
1 Anao, ry Tompo, ny zava-drehetra:
Raiso ny tolotray;
Anao ny lanitra, anao koa ny tany:
Raiso ny tolotray.
Feno zava-tsoa avy amin'ny hatsaram-ponao,
Raisinay re ny mofo,
Raisinay koa ny divay
Hoentinay hanaovana sorona.
2 Anao, ry Tompo, ny vary mamokatra...
Anao koa ny voalobokay...
3 Anao, ry Tompo, ny hasasaranay...
Ny hafaliana sy ny fijaliana...
4 Ny ainay sy ny herinay...
Ny fonay feno ny aina nomenao...
Nampiditra pissoa
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p.
72
Fihirana Hasina p.
168
Fihirana Vaovao p.
366
Vavaka sy Hira p.
727