Voninahitra anie ho an'Andriamanitra - OIA E E VONINAHITRA E E

Voninahitra anie ho an'Andrimanitra,
Any amin'ny avo indrindra, Fiadanana e,
Fiadanana anie ho an'olombelona
Ety ambonin'ny tany,
Fa  nanehoany ny hatsarampony,
Nanehoany ny hatsarampony,
Fa nanehoany ny hatsarampony,
Nanehoany ny hatsarampony

1- Midera anao izahay ry Tompo ô,
Mankalaza ny anaranao izahay e !
Mitsaoka anao izahay ry Tompo,
Mihoby ny hasinao, misaotra anao izahay

2- Ry Tompo Andriamanitray e,
Andriamanitra Rainay e !
Mpanjakan'ny tany sy ny lanitra,
Ianao no lay mahefa ny zavatra rehetra

3-Ry Jesoa Kristy zokinay ô,
Zanaka lahitokan'ny Ray e !
Manala ny fahotan'olo jiaby e,
Ka mba mamindra fo aminay,
Afaho re ny helokay

OIA EE VONINAHITRA EE E
OIA E E E IA VONINAHITRA EE

Ianao irery no masina,
Ianao irery no Tompo ô,

Oia e e e voninahitra e (vahoaka)

Ianao irery no avo indrindra,
Ry Jesoa Kristy Tompo ô !

Oia e e e voninahitra e e (vahoaka)

Anao miaraka amin'ny Fanahy Masina,
Ka omem-boninahitra e e

Oia e e evoninahitra  e (vahoaka)

Ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra,
Andriamanitra Ray e e

Oia e e e voninahitra e e (vahoaka)

OIA EE VONINAHITRA EE E
OIA E E E IA VONINAHITRA EE

Nampiditra SAOLALA
Sokajy Voninahitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092