INDRAY ANDRO NISY TOVOLAHY (P DEHON)

1-Indray andro nisy tovolahy

Izay atao hoe Léon Dehon

Olo-manga sy mpanankarena

Fa tso-po sy malemy fanahy

Dia nikasa hanokan-tena

Ho an’i Jesoa mandrakizay

Tsy neken’ny ray aman-dreniny

Ny fanirian’ilay tovolahy

Nefa kosa voafidin’ny Tompo

 

Hitory vaovao mahafaly

Hizara fiadanana an-tany

Hamonjy ireo malahelo

Mijaly, mahantra sy madinika

Hanompo ny fampihavanana

Sy ho mpaminanin’ny fitiavana

 

2-Niady mafy izy nefa tsy kivy

Dia nisotro ny tena mangidy

Fa ny fon’i Jesoa be fitia

No fialofany mandrakizay

Fivavahana, fanetren-tena

No nandaozany ireo mamin’ny ainy

Fa izay tsy mandao havan-tiana

Trano, harena ho an’i Jesoa

Dia tsy mendrika ny fanjakany

Nampiditra rayandoscj
Sokajy Olomasina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1401