MANAFOANA NY TAHOTRA

Nampiditra: rayandoscj
Sokajy: Fitokisana, Fitiavana,


 

Manafoana ny tahotra ny fitiavana

Fa satria Andriamanitra dia fitiavana

Ary Izy no tia antsika mialoha

Tia antsika mialoha

 

1.Tompo ô tsy mba miavona ny foko

Tsy mba miandranandrana ny masoko

Tsy manenjika ireo zava-baventy aho

Na ireo zavatra ambony tsy sahaza ahy

Na ireo zavatra ambony tsy sahaza ahy

 

2.Ny fanahiko afa-po indro mamitsaka

Toy ny zaza voky am-pofoan-dreniny

Eny, toa ny zaza voky ny fanahiko ato amiko

Itokio ny Tomponao ry Israely

Hatramin’izao ka ho mandrakizay

 

3.Hoderaina ianao ry rain’ny ory

Hoderaina ianao ry Jesoa mpamindra fo

Hoderaina ianao ô ry Fanahy fitiavana

Hasambaran’ny fo matoky anao

Fiadanan’ny fanahy miandrandra anao


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0066 s.] - Hanohana anay