1.Ny fonao ry Jesoa Malala ô
Maniry anay mba hotiavina
Manipy fitiavana Ianao
Mba hampiray fo ny zandrinao
Fitia/Fitiavana (x2)
Fitiavana maharitra
No itiavanao
An’izao tontolo rehetra izao
Fitiavana manafoana ny otanay
Fitiavana tena fitia
No nanoloranao ny tenanao
2.Ny Fonao ry Jesoa Malala ô
Manamaivana ireo jioganay
Isan’andro mitempo Ianao
Mitempo ilay fitia mandrakizay
3.Ny Fonao ry Jesoa Malala ô
Irinay mba hananana
Satria ‘zay manana anao
Mamerovero fihavanana