Ry Fon'i Jesoa manambara fitiavana

 1.Ry Fon’i Jesoa manambara ny fitiavana
Fitiavan’Andriamanitra ny olona
Ny Fon’I Jesoa nolefonin’ny miaramila
No ahitanay ny tena fitiavana

Avia ianao hoy I Jesoa ao am-ponao
Ho vavolombelon’ny fitiavako
Avy ianao hitory ny hafatro
Fitiavana sy fiadanana


2.Mangetaheta ny Fitiavanao izahay e
Satria Ianao no tena fitiavana
Mba ampianaro ho tia anao izahay e
Sy hitiavanay ny olona rehetra

3.Mirehitra ny fitiavana ao am-ponay
Satria Ianao no fiainanay
Vonon-kanompo Anao sy ny namanay
Mba hampanjaka ny Fitiavanao izahay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0184