INTY ILAY FOKO VOALEFONA
Inty ‘lay Foko voalefona
Noho ny fitiavako anao
Miandry izay mba hangoraka
Fa tsy nahita
1. Reko ry Jesoa ny feo miantso
Ao anatiko ao (ry Jesoa)
Fa matoa no tsy manoina
Dia tsy mihevitra Anao (ry Jesoa ô)
2.Koa mba tantano izany diako
Fa malemy sy osa (ry Jesoa ô)
Iriko manko hatramin’ny anio
Ny hanara-dia Anao (ry Jesoa ô)
3.Koa na hifaly na koa hijaly
Vonona aho Jesoa ô (ry Jesoa ô)
F’Ianao no lalana sy fahamarinana
Ary fiainana (ry Jesoa ô)
Nampiditra rayandoscj
Sokajy Fo Masin'i Jesoa