Velona tokoa Ilay hitanay maty

Nampiditra: Jean_Luck_R
Sokajy: Tononkira, Paka,


Ô velona; 
Velona tokoa Ilay hitanay maty e (in4) 
Ary indro mpaminany lehibe 
no miseho eto anivonay 
Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra (2)
Aleloia, Paka! 
Aleloia, Aleloia!

1. Ô ry Elia ô, Tsy tantinao ny fahoriana 
Nisaloran’ity ramatoa mananontena iray 
Izay nanolotra ho anao ny hany sisa mba tavela 
Izay hataony tohan’aina 
Dia natsanganao ho velona, ilay hany sombinainy 
Izany anefa mbola santatra!

2. Ô ry Jesoa ô, Tsy zakanao ny fijaliana 
Nampilofika an’ity mananotena ndeha handevina 
Ity menaky ny ainy, tsisy andry ho azy intsony 
Raha ety ambonin’ny tany! 
Indro fa naverinao velon’aina indray ilay zanany 
Izany anefa mbola santatra!

3. Ô ry Paoly ô, Raiki-tory ity zatovo 
Raha nihaino anao niteny dia nianjera ary maty 
Fa tsy sitrakao ho faty, dia ho faty vita hatreo, 
Izay vao avy nahare 
Ny Vaovao Mahafaly: Alahady tamin’izay! 
Izany anefa mbola santatra!

4. Ô ry Jesoa ô, Ianao niantra ny olombelona 
Izay mamindra tsy mahita izay hombana toy ny jamba. 
Dia nasaina hotorina amin’ny olona ny Aina; 
Ka ny ranon’ny Batemy 
Sy ny mofon’ny fiainana: no indray atolotrao! 
Izany anefa mbola santatra!

5. Ô ry Jesoa ô, ny Fitiavanao dia tia 
Ny mba hivondronanay ao an-tranon-dRainao. 
Io manko ilay fonenana tsy hahitana fahafatesana 
Na ranomaso mikoriana. 
Ny fanahy amam-batana hiaina ao mandrakizay! 
Ary ao no tena Fiainana!


Ô velona; 
Velona tokoa Ilay hitanay maty e (in4) 
Ary indro mpaminany lehibe 
no miseho eto anivonay 
Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra (2)
Aleloia, Paka! 
Aleloia, Aleloia!

 

 

 

 

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay