Fa Fitiavana ihany

Nampiditra: Jean_Luck_R
Sokajy: Karemy, Paka, Tononkira,


Nitambesatra ny ziogam-paharatsiana

Rakotra haizina koa ny tany

Tonga Ianao nivesatra ilay hazo fijaliana

Fitiavana ihany no anton’izao

Tsy nihatra Taminao ny hakiviana

Indrindra fa ny vetin-dranomaso

Nozogainao ilay tanam-bokovoko fanarabiana

Natopatopan’ny onjan’ny ankaso

 

Aza mitomany na mangoraka ianareo

Fa ny fahotanareo ihany no jereo

Nosotroinao tsy fidy

Ilay kapoaka iray mangidy

Niaretanao izay niaritra

Ireo kapoka sy ireo ratra

Kaloiko ho Anao hira tokana an-tany

Fa fitiavana ihany, fitiavana no anton’izao

 

Tiana mantsy Ianao ô ry Tompo malala ô

Aza ilozanao aho fa mila ho adala

Matokia, matokia izany havako izany

Fa ny rà masinao tsy raraka an-tany


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0078 s.] - Hanohana anay