Mitsangàna ka banjino

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Karemy,


  • Ankalazao ny Tompo p. "195
  • Vavaka sy Hira p. "449
  • Fihirana Dera p. "235
  • Fihirana Hasina p. "35
  • Fihirana Vaovao p. "215

(Heb 12 : 1 - 4)

Sas :

Mitsangàna ka banjìno
Ilay andry ijoroan'ny finoantsika.


1 - Koa satria manko maro ny olona
    'Zay mitsangana ho vavolombelona :
    Akipaho re 'zay enta-mavesatra,
    Halaviro ny ota mandrendrika.
    Mahareta àry isika miezaka
    Mba handresy amin'ny ady hatrehina !

2 - Mibanjìna ilay ohatra velona,
    Mampitombo finoana hivelatra ;
    'Lay nahazo nifidy hafaliana
    Nefa kosa nanaiky hofantsihana ;
    Tsy nanaiky handositra ny henatra !
    Kanjo havanan'ny Ray no mipetraka.

3 - Mba hevero 'lay niaritra ny enjika
    Nokotrehin'ireo olo-meloka,
    Mba hevero 'zay efa niaretany
    Am'izay ianareo tsy ho ketraka ;
    Tsisy ranareo mbola raraka
    Tamin'ny ady manohitra ny heloka.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0078 s.] - Hanohana anay