Fiverenana :
Ianao Ilay Misy, hatrizay hatrizay
Ka ho mandrakizay
Miaiky ny Hasinao izahay
Miara mitsaoka Anao
Miara midera Anao
Miara mankasitraka Anao
1. Miombona amin’i Jesoa zanakao zahay
Miombom-peo fa entanin’ny Fanahinao
Taominay hiara -mibanjina Anao
Zao eran-tany eran-danitra izao
Hanompo Anao loharanom-pitiavana
Hanompo Anao loharanom-pitiavana
2. Miombona amin’ilay Reninao Reninay
Miombom-peo amin’i Masina Maria izahay
Taominay hiara -mifaly Aminao
Zao eran-tany eran-danitra izao
Hanompo Anao loharanom-pamonjena
Hanompo Anao loharanom-pamonjena
3. Miombona amin’ireo tafita an-danitra
Miombompeo amin’ny Anjely sy ny Olomasina
Taominay hiara-hanatrika Anao
Zao eran-tany eran-danitra izao
Hanompo Anao loharanon’ny fiainana
Hanompo Anao loharanon’ny fiainana