Hira faneva faha-125 taona MSF

Mankasitraka anao ‘zahay, Jesoa, Marie, Josefa

Fianakaviana Masin’i Nazareta

Tamin’ny nitantananao anay hatramin’izao

Miara-dia ho misionera miaraka aminao.

Ataovy manahaka ny fiainanareo ny fiainanay

Hifampitantana ho iraky ny Ray, Zanaka, Fanahy.

1 – Mpianakavy isika izao, tsy hifanao an-kilabao

Halaviro sy reseo… Fa ny fitiavanao no hany lova

Lova maharitra sy harena

Izany no ampingam-pahendrena sy fahendrena.

2 – Ry Maria feno hasoavana ô,

Ry Maria Reny mpampihavana ô, Mpanota re ‘zahay …

Mba mivavaha ho anay, Amin’ny Fiainana eto an-tany

Mba ho tafita an-danitra ao, miaraka aminao.

3 – Ianao Josefa mpiaro anay

Ianao no tena misionera nitaiza an’i Jesoa …

‘Zahay koa te-ho misionera, hanahaka an’i Père Berthier

Mba ho mpijinja ny vokatry ny Ray izahay.

4 – Izahay Jesoa miangavy anao

Ento any amin’ny Ray ny fitalahoanay …

Jean Berthier mpanomponao, Nanorina ny Fikambananay

Mba ho Olomasina mpiaro ny asa sahaninay.

Nampiditra Solofo74
Sokajy Olomasina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1239