Asam-pamonjena (Hira Faneva VALIA)

1. Mandray anao ho ohatra
Victoire RASOAMANARIVO
Nanaiky natao sorona
Ombam-pitiavana mandrakariva

Koa indreto izahay VALIA
Hanasoa sy hamaly fitia
Hivavaka, hampivavaka, hanentana hivavaka
Hanamasin-tena, hanamasina ny hafa
Ho voninahitry ny Batemy Masina

2. Mba ho mendrika ho mpanompo
Hanitatra ny fanjakan’ny lanitra
Ho diampenin’ny Tompo
Hahafoy fotoana, handray andraikitra.

3. Tsofy rano re ry Ray ô!
Tefeo ny famindram-ponao,
Hanatontosa ny adidinay
Tsy hivaona amin’ny sitraponao.

4. Vavaka sy Asa Litorjika
Iderana an’Andriamanitra
No manentana ny asantsika
Hanakatra ny lanitra

Nampiditra louvamifaly1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091