Voninahitra anie ho an’Andriamanitra, any amin'ny avo indrindra

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra
Any amin’ny avo indrindra;
Fiadanana anie ho an’ny olombelona
Etý ambonin’ny tany.
Fa naneho ny fitiavany Andriamanitra Ray,
Naneho ny fitiavany

Midera anao izahay,
Mankalaza anao izahay,
Noho ny haben'ny voninahitrao
Mitsaoka anao, mihoby ny hasinao izahay,
Misaotra anao izahay.
Noho ny haben'ny voninahitrao

Ry Mpanjakan’ny tany aman-danitra,
Ray mahefa ny zava-drehetra,
Ianao no Tompo sy Andriamanitra
Ry Jesoa Kristy lahitokana,
Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra,
Ô, ry Zanaka mamin’ny Ray.
Noho ny haben'ny voninahitrao

Manala ny fahotan’izao tontolo izao,
Ka mamindrà fo aminao,
Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra
Manala ny fahotan’izao tontolo izao,
Ka raiso ny fifonanay;
Mipetraka eo an-kavanan’ny Ray,
Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra
Ka mamindrà fo aminay.

F’ianao irery no Masina,
Ianao irery no Tompo,
Ry Jesoa Kristy
Ianao irery no Avo indrindra
Miaraka amin’ny Fanahy Masina
Ry Jesoa Kristy
Ao amin’ny Voninahitr’Andriamanitra Ray. Amen.

Nampiditra louvamifaly1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0431