Vavaka aloha sy aorian'ny komonio

FIVAVAHANA ALOHAN'NY KOMONIO

Finoana
Jesoa Mpamonjiko mino mafy aho, fa nu vatanao sy ny ranao sy ny fanahinao ary ny fomban'Andriamanitra ao aminao no efa ho raisiko amin'ny komonio, Andrriamanitra mino izany ahonfa Ianao ihany no nilaza

Fanantenana
Jesoa Mpamonjiko, manantena aho fa rehefa mandray Anao ato am-poko amin'ny komonio anio, dia homenao ny fahasoavanao sy horaisinao any an-danitra amin'ny andro hoavy

Fitiavana
Jesoa Mpamonjiko, be loatra ny fitiavanao ahy, fa efa homenao ahy ny tenanao manontolo: koa tahio aho mba hanomezako Anao ny tenako manontolo, ary mba hitiavako Anao irery mandrakizay.

Fanetren-tena
Jesoa Mpamonjiko, tsy mendrika ny hidiranao ato amiko aho, fa manonona teny iray ihany, dia ho sitrana ny fanahiko.

Fanenenana

FIVAVAHANA AORIAN'NY KOMONIO

Fitsaohana
Jesoa Mpamonjy, mitsaoka Anao izay efa tonga ato anatin'ny foko aho ary manaiky anao ho tompoko sy mpanjakako, sy manome Anao ny tenako manontolo.

Fisaorana
Jesoa Mpamonjiko, misaotra Anao inarivo inarivo ahô noho, noho ny hahasoavana mahagaga nomenao ahy, noho ny nidiranao ato anatin'ny foko amin'ny komonio masina.

Fangatahana
Jesoa Mpamonjiko, mba omeo ahy ny zavatra rehetra ilan'ny fanahiko sy ny vatako amin'ny fiainana ankehitriny sy amin'ny fiainana mandrakizay,

Fikasana tsara
Jesoa Mpamonjiko, aleoko maty toy izay mandroaka Anao hiala amin'ny foko indray fa efa sambatra loatra aho mandray Anao ato anatin'ny foko amin'ny komonio masina

Nampiditra louvamifaly1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0265