Fivavahana eo amin’ny Hazofijaliana Masina

Fivavahana eo amin’ny Hazofijaliana Masina

Ry Andriamanitra Mahery izay maty sy nijaly mba ho onitry ny fahotako, aoka homba ahy Ianao.

Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy,
aoka homba ahy Ianao

Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy,
aoka ho fanantenako Ianao.

Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy,
ampanalaviro ahy ny fiadiana maranitra rehetra.

Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy,
Arotsahy amiko ny soa rehetra.

Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy,
ampanalaviro ahy ny ratsy rehetra.

Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy,
ampanalaviro ahy rehefa mety ho fahafatesana.

Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy,
arotsahy amiko ny fiadanana.

Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy,
ataovy eo amin’ny lalam-pamonjena aho.

Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy,
arovy amin’ny loza mety hitranga momba ny fanahy sy ny vatana aho.

Ho tsaroako lalandava anie ny Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy. Ry Jesoa avy any Nazareta izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana, mamindrà fo amiko. Ampanalaviro ahy isan’andro ny fanahy maloto. Hotanterahiko izany vavaka izany!

Noho ny Rà sarobidin’i Kristy, ho voninahitry ny nahatongavanao ho Nofo, izay hitarika anay amin’ny fiainana mandrakizay, notanterahinao ho anay tamin’ny andron’ny Noely ary namantsihana anao tamin’ny Zoma Masina. Amen

=====================

Ity fivavahana ity dia hita tao amin’ny fasana nilevenan’i Jesoa Kristy Tompontsika, tamin’ny taona 802, ary nalefan’ny Papa Leon III (795-816) ho an’ny amperora Romana Charmenagne, raha hanafika ny fahavalon’i Kristy niaraka tamin’ny miaramilany izy.

Izay mamaky ity fivavahana ity, na mandre ny hamakiana azy, na mitondra azy amin’ny tenany, dia tsy hofaty tampoka, tsy ho faty an-drano, tsy ho may, tsy ho voapoizina, tsy hiondrika eo anatrehan’ny fahavalony ary handresy amin’ny ady ataony.

Raha misy vehivavy mandre fangirifiriana amin’ny fiterahana ka mamaky na mandre na mitondra ity vavaka ity, dia ho mora fiterahana, hanjary reny malemy fanahy izy. Ary rehefa teraka yn zaza dia apetrao amin’ny ilany havanana ity vavaka ity, fa hiaro azy amin’ny aretina sy ny loza maro.

Raha misy olona voan’ny aretina toratorana na androbe dia petrao amin’ny ilany havanana ity, fa hiarina an-kafaliana izy.

Izay manoratra ity ho azy na ho an’ny namany dia hosoaviko, hoy ny Tompo ary izay haneso dia hanao fivalozana.

Ny trano izay hitehirizana ity vavaka ity dia tsy hilatsaham-baratra; izay mamaky azy isan’andro dia hahazo famantarana telo andro alohan’ny ahafatesany.

Nampiditra louvamifaly1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092