Ry Fanahy ô

Ry Fanahy ô,

Ianao no mitantana an'i Jesoa-Kristy!

Ianao no manilo ny Fiangonana eran-tany!

Ianao no mitondra anay zanak'Andriamanitra!

Ry Fanahy ô!

 

1. Fa nahoana, ry Jesoa, no olon-tsotra toy izao

    No nofinidinao ho namana akaiky anao indrindra?

 

    Tao amin'ny Fanahy no nifidianako azy ireo

    Notendreko ho Apôstôly sady ho vavolombeloko

    Eo imason'ny tontolo manerana ny tany (Asa 1, 2)

 

2. Fa nahoana ianareo, ô ry mpianatr'i Jesoa,

    No milefa an-tany lavitra, mandositra mpanenjika?

    Ry mpianatr'i Jesoa.

 

    Ny Fanahy no nanao ny fanenjehana ho fitaovana

    Mba hiparitahanay amin'ny vazan-tany efatra,

    Hampiely ny finoana an'i Kristy ilay velona. (Asa 8, 1-4)

 

3. Fa nahoana ianao, Filipo, no niezaka hanatratra

    An'ity Etiôpianina tanatin'ny kalesiny?

    Fa nahoana, ry Filipo?

 

    Ny Fanahy no naniraka ahy hihaino izay vakiny,

    Ary nanazava taminy izay momba an'i Jesoa;

    Ka dia nino mafy izy sy naniry hatao batemy. (Asa 8, 26-40)

 

4. Fa nahoana ianao, ry Piera, no nanjohy avy hatrany

    Ireto iraky ny manamboninahitra rômanina?

 

    Ny Fanahy no niteny ny hanarahako azy ireo

    Hitoriako an'i Jesoa Ilay Mpitsara lehibe;

    Ka ireo nihaino ahy dia nahazo ny Fanahy. (Asa 10, 4-48)

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 719
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091