Tanora Katolika, manaja tontolo iainana

Hira fandraisan'ny Tanora ny Papa Fransoa
07 septambra 2019 - Soamandrakizay

Ravo e i Gasikara fa tonga soa e ry lahy e reroy
Ny filohan’ny Eglizy nandrasana
Vovonana mampiray, vatolampin’ny finoana iorenanay
Ray Masina François no mamangy anay
Tafita ny hafatrao aminay tanora ndreto izahay, fa miray fo
Hijoro mba ho mpamafy fiadanana
Sy fanantenan’ny anio sy ny ampitso mendrika
Sy hanaja ny tontolo iainana

Deraina isaorana e ilay Mpahary e
Nitantana sy nandavorary e!
Nanohina ny antsonay, tonga ianao
Mitory ny evanjely eto aminay
Raisina an-tanan-droa, miarahaba anao
Tsy voasakan’ny sarotra, tonga soa izao

Ataonay ny latsi-tanana, mihodina havia havanana
Mitory fankasitrahana, porofon’ny fihavanana
Ny mponin’i Gasikara, tsy misy ny mamarara
Samy mandray anjara, faly mandray anao a

Indro ary Gasikara, tranobe iombonana, ho filamatra
Kahizara fahaiza-miaina, ho tantaraina amin’ny eran-tany e ia
Ivelomana ny finoana, tsy ho very maina ny maritiry
Ny olomasina sy olontsambatra ka hifanohana ho lavorary e ia.

Arovana ny aina
Arovana ny zava-boahary,
Tsy dorana ny tanety
Atao ny voly hazo
Kajiana tsara ny rano
Kajiana koa ny rivotra
Gasikara, nosin-Janahary

Eka, eka, alalinina ny finoana
Eka, eka, ka izahay tanora
Ho hita, ho hita, ho fiadanana ho an’ny hafa
Hazava, hazava, fa taratry ny Fiangonana

Ny antso nataonao mitaona anay mba hahatsapa ny zava-misy
Tsy hanimba ny zava-boahary
Teknolojia, ny fandrosoana, tsy hoentina hifamonoana izy ireny anie
Fa hajaina ny natoraly
I Madagasikara ilay Nosy maintso dia mbola hafa, kanto re
Maro harena voajanahary an
Ny hafa aza mahatsapa, mainka izahay samy hiezaka hanatsara re,
Isaorana ny Tompo nahary an

Ny tontolo iainana io lavorary e
Nohajarian’ny Tompo Mpahary e!
Ivelomana sy nataony hivelarana
Hahasambatra antsika am-piandanana ô
Fa nosimbaina tsy mitsinjo ny hiafarana (2)

Aleo ireo ho hajariana, halamina sy kajiana
Arovana sy hajaina, tsy mbola tara raha miara-miainga
Tanora Katolika, manaja tontolo iainana
Voninahitr’Andriamanitra, fanantenan’i Madagasikara

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Tanora
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093