Voninahitra e, ho an'Andriamanitra

Voninahitra e, ho an’Andriamanitra
Any ambony any, amin’ny avo indrindra
Ary fiadanana e, (ety an-tany)
Ho antsika olombelona ê, (ety an-tany)
Nasehonao miharihary, ny fitiavanao anay ê
Ny voninahitra sy dera, ho Azy Tompo ambony indrindra

1. Midera Anao izahay ê, ê, ia
Mankalaza Anao ê, ê, ia
Mitsaoka Anao izahay ê, ê, ia
Misaotra Anao izahay ê, ê, ia
Ry Tompo Ray mahefa
Ny zavatra rehetra

2. Ry Jesoa Tomponay ê, ê, ia
Ry Zanaky ny Ray ê, ê, ia
Ianao Mpamonjy anay ê, ê, ia
No sady Zokinay ê, ê, ia
Fitiavan-dehibe no namonjenao anay

3. Fanahy Masina ê, ê, ia
Mpankahery anay ê, ê, ia
Mpitondra hafaliana ê, ê, ia
Mpamelombelona anay ê, ê, ia
Miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ny dera atolotray ê

Naoty: https://katolika.org/katolika/naoty/show/42 

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Voninahitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089