Entanin'ny fiombonana

Zahay ankizy Katolika, maneho hafaliana
Voairaka, hitory Vaovao Mahafaly e
Ireo namanay, izay mbola variana
Tianay mba ho Misionera, hanaraka anay

Ianao Jesoa nilaza hoe, avelao ny Ankizy re
Hanatona Ahy… iehehe…hanatona Ahy

Entanin’ny fiombonana, isika no Fiangonana
Entanin’ny fifankatiavana,
Jesoa Zoky no fitiavana
Rankizy namako ô, andao hiara-dia
Miaraka amin’ilay Reny Masina Maria
Hanara-dia an’i Kristy

‘Zahay ankizy Katolika, maneho fahasahiana
Hijoro hatrany, amin’ny finoanay e
Ho tia vavaka, ho feno Fahendrena
Ho fitaratra hatrany, amin’ny fiainanay
 
Mpanentana: Isika rehetra rehetra miara-dia amin’i Masina Maria Renintsika
Izy no hitondra antsika mankany amin’i Kristy Jesoa (tononina amin’ny feo avo)

Daholobe: Ndao e, ndao e, hiara-dia isika e!
Ndao e, ndao e, hiara-dia andao eeeeee!

Auteur-compositeur: B-Zara Talenta

Nampiditra louvamifaly1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0565