Aza matahotra ry Maria (JMJ Mada IX - 2018)

1- Hifampitantana e! Hiara-dàlana e!
Hiombona ao amin’ny Ray
Ny Ray ‘zay nandefa ny Zanany
Sy naniraka ny Fanahy Masina
Ny Fiangonana fiombonana no mampiombona antsika
Miombona amin’i Maria Reny, Maria Renin’ny Fiangonana

Refrain : “Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao” Md Lioka 1, 30
Raisinay izany teny izany
Toa vatolampy tsy mikoro, ho vato fehizoro
Tsara tena tsara ry Maria ô!
Tsara ny fahatanorana
Fa maniraka anay mba ho sahy
Tsy mba ho be ahiahy i Kristy

2- Ny Tenin’ny Tompo ‘zay ninoanao Maria ô!
Tsy ho potika ary tsy ho rotika
Isan’andro no iainanay izany
Mankahery anay hijoro hatrany
Tantano ‘zahay ry Masina Maria, ampiraisin’ny Eokaristia
Hiezaka hitombo Hasina
Ao amin’ny Fanahy Mpanamasina

3- Ry Maria Reny ô! Ampionao ô! Ireto zanakao
‘Nareo Olomasina sy Olotsambatra
Mivavaha, mitalahoa ho anay e!
Masindahy Don Bosco sy Masindahy Jacques Berthieu
Ary Masindahy Joany Paoly faharoa
Rasoamanarivo sy Jean Beyzim ô!
Louis Rafiringa sy Lucien Botovasoa

“Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao” Md Lioka 1, 30
Raisinay izany teny izany
Toa vatolampy tsy mikoro, ho vato fehizoro
Tsara tena tsara ry Maria ô! Tsara ny fahatanorana
Fa maniraka anay mba ho sahy
Tsy mba ho be ahiahy i Kristy
“Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao” 
M(d Lioka 1, 30)
Raisinay izany teny izany
Toa vatolampy tsy mikoro, ho vato fehizoro

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Tanora
Fihirana Hasina p. 885
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0257