Andriamanitra ô! Tahio sy hatsarao

1. Andriamanitra ô!
Tahio sy hatsarao
Ny taninay,
Tahio ny namanay
Ho tia ny teninao,
Dia mba hazavao
Ny nosinay.

2. Ovay ny fombanay,
Ho foin’ny taninay
Ny sampiny;
Omeo fo marina
Izao rehetra izao,
Ka dia mba iantrao
Ny nosinay.

3. Jehovah Tompo ô!
Tahio ho olonao
Ny zanakay;
Tahio ho zanakao,
Tahio ho marina,
Ka dia ho taninao
Ny nosinay.

4. Izay mpitondra anay
Tahio ho tia Anao,
Jehovah ô!
Omeo sai-marina
Hanao ny sitrakao,
Ka ampanompoy Anao
Ny nosinay. Amen.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Dera p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181