Niakatra any an-danitra i Jesoa Kristy Tompo

Niakatra e, niakatra e, niakatra
Niakatra any an-danitra i Jesoa Kristy Tompo,
Fa tsy folaka andry niankinana isika.
Aleloia.

1. Nomeny ny Fanahy isika,
Hanoro antsika ny marina. Aleloia

2. Efa (eo) ny Fiangonana mihay,
Mamelonambelona antsika ô, Aleloia.

3. Isan'andro izy eo anivontsika,
ao anatin'ny Eokaristia. Aleloia

4. Miombona ao aminy isika,
Mandray ny vatany aman-drany. Aleloia.

5. Ny teny mahavelona no fototra.
Iorenan'ny finoantsika. Aleloia.

6. Natolony ho antsika ny reniny,
Hitantana ny diantsika. Aleloia.

7. Isika manantena ilay andro
Hihaonantsika rehetra ao aminy. Aleloia.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 240
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0452