Ny lalana e, fantatray ny lalana mankany amin'ilay fahasambarana

1. Ny lalana e,
Fantatray ny lalana mankany amin'ilay fahasambarana:
Ny Zanak'Andriamanitra no lalana any an-danitra,
Ianao no lalana, Kristy Zanaky ny Ray.

2. Ny marina e,
Fantatray ny marina, izy no afa-manarina:
Ny Zanak'Andriamanitra no marina any an-danitra,
Ianao no marina, Kristy Zanaky ny Ray.

3. Ny aina e,
Fantatray ny aina e, izy no andrandraina:
Ny Zanak'Andriamanitra no aina avy any an-danitra,
Ianao no aina e, Kristy Zanaky ny Ray.

4. Fitiavana e,
Fantatray ny fitiavana e, izy no hany hampihavana e:
Ny Zanak'Andriamanitra fihavanana avy any an-danitra,
Ianao no fihavanana, Kristy Zanaky ny Ray.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 241
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106