Ry Tompo Andriamanitra ô, ravoravo izahay

Ry Tompo Andriamanitra ô, ravoravo izahay:
Mahafinaritra loatra ny misaotra anao.

1. Mba tsar loatara, Tompo ô, ny midera anao vao maraina,
Ny misaotra anao nony alina, ry Fahamarinana ô.

2. Ny olo-marina mba sambatra,
toy ny hazo sedera misandrahaka,
Fa maniry ao an-tranon'Andriamanitra,
an-kianjan'ny Tompo

3. Na antitra izy mahavokatra,
mbola be ranonkazo ka mandrobona,
Manambara fa ny Tompo anie
no ainy sy fahamarinany.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 296
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092