Manonja toy ny onja ny fiainana eto an-tany, Tompo ô

Manonja toy ny onja
ny fiainana eto an-tany, Tompo ô,
Mitady ny handroba izay voaantsonao
hanara-dia anao, ry Ray.

1. Nefa raha sitrakao, tohano izahay
Tsy ho rendrika handao anao (Tompo ô)
Tompo ô, ny feonao no rova tsy handao
Ny zanakao voafidinao (e! manonja).

2. Tsy ho rendrika izahay, n'inon'inona hanjó
Feno toky, tsy mba kivy  (Tompo ô)
Tompo ô, nyomeo anay ny saina sy ny hery
Ho tia anao mandrakizay (e! manonja).

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 448
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109