Ny amboa haolo manan-davaka, ny voro-manidina manana akany

Nampiditra: j_rahasa


  • Fihirana Vaovao p. "465

Ny amboa haolo manan-davaka,
Ny voro-manidina manana akany,
Fa ny Zanak'olona tsy manana
izay hampandriany ny lohany.

1 Eny, Tompo,
 Am-piadanana tokoa ankehitriny
 Andefasanao ity mpanomponao:
 Dia ho to 'zay voalazanao.
 
2 Fa satria:
 'Zany masoko nahita miharihary
 'Zato famonjena 'zay nomaninao
 Ho an'ireo firenen-drehetra.
 
3 Hazavana
''Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
 Fa kiady kosa sady reharehan'i
 Israely vahoakanao.
 
4 Eny, Tompo,
 Mendri-dera ny fitiavanao anay
 Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
 Hampiadana anay rehetra.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0289 s.] - Hanohana anay