Izao no Vaovao mahafaly: lehibe ny fitiavan'Andriamanitra

Nampiditra: j_rahasa


  • Fihirana Vaovao p. "540

Izao no Vaovao mahafaly:
Lehibe ny fitiavan'Andriamanitra,
Ka ny Zanany Lahitokana, nafoiny ho antsika e;
Izay rehetra mino ny Zanaka,
Na maty, mbola hitsangan-ko velona,
Hiara-tsambatra aminy, ho mandrakizay.

1. Malahelo isika olombelona, malahelo,
Fa tsy misy izay tena sambatra eto an-tany:
'Rony vola sy hafinaretana ifikirana
Toy ny rahona sendra manambina dia mandalo.

2. Mba maniry ny ho ela velona, mba maniry,
Ka ho vy ho vato aina, tsy ho faty:
Ambarao ny tsiambaratelo hahasambatra,
Aiza ho aiza moa izany lalana hamelona.

3. 'Zaho Tompo irery no lalana, 'zaho Tompo,
'Zaho Tompo fahamarinanan sy fiainana:
Fa nandresy ny fahafatesana ka nitsangana,
Feno aina mandrakizay ka mamelona.

4. Ary izao no tsiambarateloko hahasambatra,
Mazotoa manaraka ahy ho fitiavana;
Ka ny Raintsika ao an-danitra hamasino,
Ny mahantra sy ny madinika mba tsimbino.

5. Fantatray ianao, Kristy ô, fa fitiavana,
Nanaiky hijaly sy maty fa fitiavana:
Dia nitsangan-ko velona indray fa fitiavana,.
Ianao no arahinay fa fitiavana.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay