Mihilana ny andro, tonga ny hariva

1. Mihilana ny andro, tonga ny hariva,
Nidify ka tsy tazana
ireo tara-pahazavan'ny andro iray,
'Zay tsy hanam-petra, andro iray mihazakaza-dava.
Kanefa injao fiainam-baovao
no indro tonga ka tsy tanana.

Mitoera eto aminay, ry Tompo ô, 
mitoera fa hariva ny andro.
Mitoera re eto aminay,
Fa raha eo ianao, tsy hanjaka ny alina.

2. Miely ho any an-dranomasina ny rian'onjanao,
Entin'ny rivotra ka tsy hiato,
raha tsy tonga hatrany am-pon'
izay rehetra vonona mba ho tena tia.
Dia toy izany 'lay fitiavanao,
ho henika azy izao tontolo izao

3. Indro izahay, mijaly sy manantena,
Toa tany karakarina
miandry rano avy eny an'habakabaka
Tsy misy rahona, kanefa afa-manome aina,
Fa loharano 'zahay raha eo ianao:
ny tany hay hanjary lonaka.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 546
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1174