Ny fonao, ry Jesoa malala ô, maniry anay mba hotiavinao

1. Ny fonao, ry Jesoa malala ô,
Maniry anay mba hotiavinao:
Manipy fitiavana ianao,
mba hampiray fo ny zandrinao.

Fitia (fitiavana), fitia (fitiavana), ,
Fitiavana maharitra
No itiavanao an'izao tontolo izao
Fitiavana (fitiavanao anay) nanafoana ny otanay,
Fitiavana tena fiitia no nanoloranao ny tenanao.

2. Ny fonao, ry Jesoa malala ô,
Manamaivana ireo jioganay:
Isan'andro mitempo ianao,
mitempo ilay fitia mandrakizay.

3. Ny fonao, ry Jesoa malala ô,
Irinay mba hananana:
Satria izay manana anao,
mamerovero fihavanana.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 547
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023