Mofo Jesoa, manova anay ho toa anao, ho fitiavana

Mofo Jesoa,
manova anay ho toa anao,
ho fitiavana

1. Tsy ho mosarena etý 'zahay,
fa eo ianao Jesoa mba ho sakafonay,
Ry Mofon'aina, hetsaho ny fitiavanao
ny olona etý.

2. Fa manomboka eto ny paradisa,
fa eo ianao Jesoa ho sakaizanay,
Ka hitoetra hiaraka aminao 'zahay
mandrakizay doria

3. Tsy hatahotra ho faty izahay,
fa eo ianao Jesoa miaina anatinay,
Velona hatrany izay mahay mandray anao,
ry Andriamanitray.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 546
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0392