Mahatalanjona ny asan'Andriamanitra, i Kristy natolotra noho ny fahotantsika

Mahatalanjona ny asan'Andriamanitra
I Kristy natolotra noho ny fahotantsika,
I Kristy nitsangan-ko velona ho fanamarinana antsika,
I Kristy hiverina indray,
Hiverina indray hanandratra antsika.

1. Isaory ny Tompo ilay tsara fo,
fa mandrakizay ny fitiavany
Aoka i Israely hihoby azy hoe,
fa mandrakizay ny fitiavany.

2. Hihoby azy koa ny zanak'i Aarôna
fa mandrakizay ny fitiavany
Ny matahotra ny Tompo hihoby azy hoe:
fa mandrakizay ny fitiavany

3. Tanatin'ny jaly aho no niantso ny Tompo,
ka e novaliany, dia afaka
Momba ahy ny Tompo, izaho tsy matahotra,
ka iza no hahatohitra ahy?

4. Momba ahy ny Tompo sy miaro ahy,
voabandriko ireo fahavaloko
Aleo dia aleo re mifefy amin'ny Tompo
toy izay amin'ny olombelona.

5. Aleo dia aleo re mifefy amin'ny Tompo,
toy izay amin'ireo izay matanjaka,
Dia nanemitra ahy ny firenena rehetra:
naringako tamin'ny anaran'ny Tompo.

6. Izy ireo manodidina, manarona ahy:
naringako tamin'ny anaran'ny Tompo.
Dia niangona tamiko toy ny fanenitra:
naringako tamin'ny anaran'ny Tompo.

7. Nirehitra toy ny afona-tsilo:
naringako tamin'ny anaran'ny Tompo.
Naronjiny mafy aho, natosiny ho lavo.
fa namonjy ahy ny Tompo.

8. Ny Tompo no heriko ary fiderako,
fa izy no vonjy ho ahy.
Dia feom-pifaliana ary koa fandresena 
no indro ao an-dain'ny marina.

9. "Mahery ny sandrin'ny Tompo, mihinjitra,
mahery ny sandrin'ny Tompo."
Izaho tsy ho faty fa ho velona kosa
hitory ny asan'ny Tompo.

10. Nofaizin'ny Tompo aho, eny nofaiziny,
fa tsy mba natolony ho faty.
Vohay ny varavaran'ny fahamarinana
hidirako hisaotra ny Tompo.

11. "Inty àry ny varavaran'ny Tompo:
ny marina no miditra eo."
Isaorako ianao, fa namaly ny antsoko,
fa ianao re no vonjy ho ahy.

12. Ny vato niavonan'ny mpanorin-trano,
no vato natao fehizoro.
Izany tokoa no asan'ny Tompo,
mahagaga eo amin'ny masontsika.

13. Ity re no andro nataon'izy Tompo
hiravoana sy hifaliantsika.
Omeo re, ry Tompo, omeo ny famonjena,
ry Tompo ô, omeo ny fandresena.

14. Hotsofina rano amin'ny anaran'ny Tompo,
hotsofina rano izay tonga.
Avy eto amin'ny tranon'ny Tompo izahay
no mitsodrano anareo.

15. Ilay Tompo Andriamanitra manilo antsika,
koa dia milahara ianareo.
Mandraisa daholo ianareo sampankazo
hatreny akaikin'ny ôtely.

16. Ianao no Andriamanitro, isaorako ianao,
Asandratro ianao Andriamanitro.
Isaory ny Tompo ilay tsara fo,
fa mandrakizay ny fitiavany

17. Isaory ny Ray izay nanavotra antsika,
fa mandrakizay ny fitiavany
Ny Zanaka sy ny Fanahy Mpankahery,
fa mandrakizay ny fitiavany.

Nampiditra j_rahasa
Ankalazao ny Tompo p. 409
Fihirana Vaovao p. 544
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1147