Na iza na iza hanetry tena tahaka ny zazakely

Nampiditra: j_rahasa


  • Fihirana Vaovao p. "477

Na iza na iza hanetry tena
tahaka ny zazakely,
dia izy no ho lehibe indrindra
amin'ny fanjakan'ny lanitra.
Aleloia

(Lk. 2, 29-32) 

1 Eny, Tompo,
 Am-piadanana tokoa ankehitriny
 Andefasanao ity mpanomponao:
 Dia ho to 'zay voalazanao.
 
2 Fa satria:
 'Zany masoko nahita miharihary
 'Zato famonjena 'zay nomaninao
 Ho an'ireo firenen-drehetra.
 
3 Hazavana
''Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
 Fa kiady kosa sady reharehan'i
 Israely vahoakanao.
 
4 Eny, Tompo,
 Mendri-dera ny fitiavanao anay
 Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
 Hampiadana anay rehetra.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0474 s.] - Hanohana anay