Isaorana anie Andriamanitsika, fa fitahiam-be omeny ho antsika

1. Isaorana anie Andriamanitsika,
Fa fitahiam-be omeny ho antsika;
Hatreo ambohoka
Ka mandraka antitra,
Isika henika
Ny soan’ny lanitra.

2. Tsy mety tapitra na lany ny hareny,
Tsy hita faritra ny sisa izay homeny;
Fanahy sambatra
Sy fo miadana
No efa santatra
Izay ananana.

3. Ny Ray sy Zanaka sy ny Fanahy koa,
Derain’ny masina ho Tompo iray tokoa;
Andriamanitray
Be fahasoavana
No anateranay
Izay fisaorana.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 438
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1073