Ry olombelona ô, izao no tadiavin'Andriamanitra aminao
Ry olombelona ô,
izao no tadiavin'Andriamanitra aminao:
ny hizotra eo imasony ianao am-panentren-tena hatrany.
(Sal. 112)
1 Derao, ry mpanompon' ny Tompo,
Derao ny anaran'ny Tompo;
2 Tsarovy ny anaran' ny Tompo,
Na izao na ho mandrakizay.
3 Tongava marain-tsy hariva
Hidera ny anaran' ny Tompo.
Aleloia, aleloia!
4 Ambonin' ireo firenena:
Ny lazany avo dia avo!
5 Moa misy mitovy amy Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony,
6 Ka miondrika izy mijery,
Na lanitra izany na tany.
Aleloia, aleloia!
7 Alàny amy fako ny ory,
Esoriny avy eo ny mahantra:
8 Apetrany anilan'andriana,
Andriana izy fanta-bahoaka.
9 Ny momba amponeniny an-trano:
Niteraka maro ka faly.
Aleloia, aleloia!
10 Handeha isika hisaotra ny Ray:
Natsangany ho velona isika,
11 Hitovy amin-Janany tiany;
Nomeny Fanahy manan-kery
12 Hametraka antsika rehetra
Anilany mandrakizay.
Aleloia, aleloia!