Ray ô, raha tsy azo esorina amiko ity kapoaka ity
Ray ô,
raha tsy azo esorna amiko ity kapoaka ity,
fa tsy maintsy hosotroiko,
dia aoka ho tanteraka anie ny sitraponao,
Ray .
(Lk. 1, 46-55)
1 Ny foko midera ny Tompontsika,
Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
Ilay hoe "Ny Masina no anarany".
3 'Lay mandrakizay ny indrafony
Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry,
Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
Kanefa manandratra ireo ambany;
Manototra soa an'ireo noana
Fa mampody maina an'ireo mpanana.
5 Mpanarina an'i Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny razantsika
Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
Ho mandrakizay alaovalo!