E, Tompo ô, toiñonao ‘zao kaika ‘zao

(Sal. 129)

  1. E, Tompo ô, toiñonao ‘zao kaika ‘zao.
    Añaty ahdy aho, Raiko, ro makóka anao.
    Ia ro hahataty, lehe heloka ro tskilovinao?
    Ny añatoñana anao e ko ny fandiferanao.
  2. Ny anahy dia ny Tompo ro tena iandrazako fañapena,
    Izay lazainy tsa halady, fa izay ro hafaleana.
    Mivaibaitsa mihitsy aho mitily ny handalovany.
    Dikadika ny mpiambina miandry ny andro handrovana
    Ny anahy dia ny Tompo ro tena iandrazako fañapena,
    Izay lazainy tsa halako fa izay ro hafaleana.
  3. Dia mba andrazo ny Tompo, ô Raolo,
    Sy aminzay ny fitea tsa misy mahasolo,
    Fañavotanaizao tsa ataone tañam-polo:
    Tsa misalasala iy mamela ny heloka manontolo.
  4. Ny voñinahitsa ‘zao ro atolotsa anao Ray,
    Ho anao Zanaka, fa vô mitsa ko añao Fañahy.
    Dia ho tahakaizay hatamin’ny efa ela izay:
    Mitovy amin’izao niany izao sy ho mandrakizay,
    Ny voñinahitsa ‘zao ro atolotsa anao Ray,
    Ho anao Zanaka, fa vô mitsa ko añao Fañahy.

Añay matoky anao Tompo e,
Matoky añay manaña anao,
Nasoroñao anay ny Zanakao,
Nomenao ko any Fañahy,
Añay tsa mba hiala aminao.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 300
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0894