Ianao no mpisorona mandrakizay - Hoy ny Tompo tamin'ny tompoko

Ianao no mpisorona mandrakizay
Eo ankavanan'ny Ray, aleloia.

(Sal. 109)
 1. Hoy ny Tompo tamin'ny tompoko:
Mipetraha eto ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao.

2. Hahinjitry ny Tompo avy ao Siona,
ny tehim-panjakanao
manjakà eo amin'ny fahavalo,
anao ny fiandrianana.

3. Fa izaho niteraka anao teo am-bohitra masina,
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando.
Ianao no mpisorona mandrakizay
tahaka ny mpanjaka Melkisedeka,.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 300
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092