Nanomana vehivavy iray mendrika ho renin'ny Zanany Andriamanitra,

Nampiditra: j_rahasa


  • Fihirana Vaovao p. "288

Nanomana vehivavy iray
mendrika ho renin'ny Zanany Andriamanitra,
dia i Maria

[Tononkiran'i Maria - Lioka 1 : 46-55]

1 Ny foko midera ny Tompontsika,
Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny
 Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
 Ilay hoe "Ny Masina no anarany".

3 'Lay mandrakizay ny indrafony
Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,
Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa an'ireo noana
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.

5 Mpanarina an'Israely olony
 Satria mahatsiaro ny indrafony
 Nampanantenainy ny razantsika
 Ho an'i Abrahama sy izay taranany.

6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0072 s.] - Hanohana anay