Eny e ny Tenin'ny Tompo fanahy sy fiainana

Eny e ny tenin’ny Tompo
Dia mandrakizay e
Fanahy sy Fiainana.

1- Fa indro ny Teny naloaky ny vavanay e !
Sokafy ny sofina ry ambanilanitra e !
Fa indro ny Teny voalazan’ny Tompo
Izay manan-tsofina aoka hihaino.

2- Ny Teniny tokana re no nampisy e !
Ny Teniny koa no handrava ny misy e ;
Izany no herin’ny tenin’ny Tompo
Maina daholo ny voary rehetra.


3- Alefany an-tany àry ny onjan’ny teniny,
Haingam-panidina sy mafy ny heriny
Fa toa ranon’orana latsaka an-tany
Tsy mba miverina raha tsy mamokatra.
 
 
Nampiditra admin
Karine Dera p. 479
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092