Tantano, Tompo, 'zany dianay
Vonon-kanompo anao mandrakizay,
Fantatrao, Tompo, ny halemenay:
Omeo anay hatrany ny Fanahinao.
1. Ny teninao, ry Tompo, no henoinay,
Ny hafatrao, Tompo, hampitainay.
2. Ny teninao, ry Tompo, ho fiainanay,
Ny asanao, ry Tompo, hotanterahinay.
3. Ny Fanahinao, ry Tompo, efa noraisinay,
Ka ny sitrakao, ry Tompo, hankatoavinay.