Ny voambary an-tany lonaka maniry sy mamokatra injato heny

Ny voambary an-tany lonaka
Maniry sy mamokatra injato heny.

(Sal. 46)

1. Ny tany vangínao, ry Tompo ô, tondrahanao ora-mikija,
dibo-drano tokoa ny onin'Andriamanitra.
Manome vary ho azy ireo manko ianao,
ka izany no ikolokoloanao ny tany.

2. Ny vava-asa ataonao ampoka,
ny baingan-tany aravonao.
Ny tanimbary omena oram-be,
ny tsirim-bary tsimbininao.

3. Ny orana no toy ny tsodrano
anambinanao ny taona tontolo.
Ny lalanao, feno andon'ny lanitra,
ny ahitra any an'efitra, feno tsiron'ny tany.

4.Ny haravoana mananeika ny tanety,
ny ondry aman'osy mandrakotra ny tanim-bilona.
Ny vary mameno ny lohasaha,
ka manakoako ny hoby sy ny hira.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 187
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073