Taorian'ny andro Pantekôty ny mpianatr'i Kristy
Taorian'ny andro Pantekôty ny mpianatr'i Kristy
nazoto nihaino ny fampianaran'ny apôstôly,
niray saina, nandray anjara tamin'ny fizarana ny Mofo,
nazoto nivavaka:
izany no fiainan'ny Fiangonan'ny Tompo
[Tononkiran'i Maria - Lioka 1 : 46-55]
1 Ny foko midera ny Tompontsika,
Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
Ilay hoe "Ny Masina no anarany".
3 'Lay mandrakizay ny indrafony
Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,
Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
Kanefa manandratra ireo ambany;
Manototra soa an'ireo noana
Fa mampody maina an'ireo mpanana.
5 Mpanarina an'Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny razantsika
Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
Ho mandrakizay alaovalo!